Buy traffic for your website

Tompon-dakan’i Afrika – Tenisy ambony latabatra

tennis de table

Nihintsana ampahavalon-dàlana ny malagasy tany Rwanda

Tapitra teo amin’ny dingana ampahavalon-dàlana ny dian’ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ity tompon-dakan’i Afrika taranja tenisy ambony latabatra izay natao any Rwanda any. Tsy nisy tafita amin’ny dingana ampahefa-dàlana na dia iray aza ireo mpilalao Malagasy niatrika ity tompon-dakan’i Afrika atao any Kigali, Rwanda ity. Nihintsana avokoa mantsy i Antoine Razafinarivo, Fabio Rakotoarimanana ary Hanitra Raharimanana izay vavy tokana tao anatin’ny ekipam-pirenena Malagasy. Tsara fanombohana ary nanesy fandresena avokoa anefa izy telo mianadahy ireto tao anatin’ny dingana fifanintsanana rehetra. Nihaona tamin’ny egyptianina i Antoine sy Hanitra izay Samy montsana seta 4 no 0 avokoa. Nahita seta iray ho an’ny Malagasy kosa i Fabio raha nihaona tamin’ny teratany ivoarianina. Niady tanteraka ny fihaonana teo amin’izy roalahy ireto saingy nanatombo tamin’ny traik’efa sy teknika kokoa ity mpifanandrina taminy ity. Seta 4 no 1 no nisarahan’ny roa tonta teo amin’izany ampahavalon-dàlana izany. Na teo aza anefa izany fihintsanana izany dia mendri-piderana tanteraka ny zava-bitan’ireto mpilalao Malagasy ireto tany Rwanda izay vonona ny hanome ny tsara hatrany amin’ireo fifaninanana samihafa mbola ho avy. Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *