Nirefodrefotra izay tsy izy ny basy tao amin’ny tanànan’i Barikadimy, Toamasina. Dimilahy izay saika hanao fanafihana mantsy no lavon’ny balan’ny mpitandron’ny filaminana. Nihorohoro tanteraka ny mponina tany an-toerana omaly atoandro rehefa nahare ny fifampitifirana izay nisy teo amin’ireo polisy sy jiolahy maromaro. Raha ny vaovao voaray dia tao ambadiky ny kianjan’i Barikadimy no nisian’izay fifandonana mahery vaika izay. Voalaza fa nikotrika fanafihana ireto jiolahy miisa dimy izay mitam-piadiana ireto ka tra-tehaky ny polisy ny FIP avy ao Toamasina. Raikitra ny fifanenjehana sy ny fifanjevoana ka maty voatifitra avokoa izy dimilahy ireto. Mbola hita eny amin’izy ireo ny basy PA iray mbola feno basy, antsy be iray miampy ody gasy. Araka ny fanadihadiana izay nataon’ireo mpitandron’ny filaminana dia roa tamin’ireo jiolahy maty ireo no mbola voafonja ao amin’ny fonjan’ny Toamasina kanefa izao tafavoaka izao ary nikonokonona fanafihana. Efa nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hahalalana ny zava-nisy sy ireo izay mety mbola miray petsapetsa tamin’ireo jiolahy ireto. Handrasana ny tohin’ny raharaha.
Ary