Buy traffic for your website

Rugby Women’s Cup 2024 – Tafita amin’ny amboara eran-tany ny Ladies Makis

ladies makis

Dingana lehibe no vitan’ny mpilalao vehivavy, Ladies Makis ao anatin’ity fiadiana ny amboaran’ny Afrika 2024 ity rehefa avy nandavo ny kameronezy satria dia tafita hiatrika ny amboara eran-tany izy ireo. Niady dia niady ary nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpilalao vehivavy malagasy nandritra ity andro faharoan’ny fifaninanana ity. Rehefa nandavo an’i Kenya mantsy ny Ladies Makis nandritra ny lalao voalohany dia nibata fandresena tamin’ny isa 12 no 05 indray ny malagasy nanoloana an’i Kamerona. Nampitaintaina hatramin’ny farany ity fihaonana ny alarobia tolakandro ity satria hita ho efa nanomana mafy ity lalao ity ireo mpilalao kameronezy izay vonona ny haka valin’ady. Mbola tsy afa-bela nanoloana ny Ladies Makis anefa izy ireo satria dia mbola tojo faharesena toy ny tamin’ny taon-dasa ihany. Ho an’ny malagasy dia mitazona ny laharana faharoa vonjimaika izy ireo, izay midika fa efa eo am-pelatanana ny fandraisana anjara amin’ny amboara eran-tany. Eo indrindra no ilaina fanazavana kely satria dia misy sokajy maro ny “Mondial” izay hatrehan’ireo ekipam-pirenena ireo. Ho an’ny Ladies Makis dia efa tafita hiatrika ny amboara eran-tany diviziona fahatelo izy ireo izay any Durban. Raha tahiny kosa ka mandavo ny afrikanina tatsimo laharana voalohany vonjimaika i Madagasikara ny alahady 12 mey ho avy izao etsy amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka dia ny Ladies Makis no tafita hiatrika ny “Mondial 2025” izay hatao any Angletera any. Famaranana arak’izany ity lalao eo amin’ny Ladies Makis sy Afrika Atsimo ity.

Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *