Afa-bela ny malagasy nanoloana ny kenyanina ny sabotsy tolakandro teo tetsy amin’ny kianjan’ny Makis, Andohatapenaka. Resin’izy ireo tamin’ny isa 29 no 22 ny ekipam-pirenen’i Kenya, izay tena zava-dehibe tokoa amin’ny tohin’ny fifaninanana. Mikendry ny toerana roa voalohany mantsy ny Ladies Makis amin’ity indray mitoraka ity mba hafahana miatrika ny amboara eran-tany 2025. Tamin’ny ankapobeny dia nanao ny ainy tsy ho zavatra ny vehivavy malagasy ary niady hatramin’ny segondra farany mba hahazoana ity fandresena ity. Taoriana iny lalao voalohany iny ary dia mitazona ny laharana faharoa vonjimaika ny malagasy satria dia i Afrika Atsimo tompon-daka farany no laharana voalohany rehefa nanamontsana tanteraka an’i Kamerona tamin’ny isa 55 no 0 be izao. Ny alarobia izao no hiatrika ny lalao faharoa ho azy ny Ladies Makis, izay hifanandrina indray amin’ny kameronezy izay efa resin’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Hantenaina arak’izany ny hahazoan’izy ireo fandresena mialohan’ny fihaonana farany amin’i Afrika Atsimo ny faran’ny herinandro izao, izay hangalan’ny Ladies Makis valin’ady koa. Ary