Buy traffic for your website

Rugby Women’s Cup 2024 Lavon’i Afrika Atsimo 46 no 17 ny Ladies Makis

RWC 2025 Static Image e1715682900511

Rugby Women’s Cup 2024 – Lavon’i Afrika Atsimo 46 no 17 ny Ladies Makis

Ny alahady tolakandro teo no nanatanterahana ny andro fahatelo farany tao anatin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja baolina lavalava, sokajy vehivavy ity, ka voahosotra ho tompon-daka ny afrikanina tatsimo raha laharana faharoa no misy an’i Madagasikara. Tsy tanteraka ny fanamby dia ny handavoana ny “Springboks Women” ao anatin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika 2024 ity. Tahaka ny tamin’ny taon-dasa mantsy dia tsy mbola afa-bela nanoloana ny afrikanina tatsimo ny Ladies Makis satria dia lavo tamin’ny isa 46 no 17. Mbola hita sy misongadina tanteraka ny vehivavy afrikanina tatsimo raha eo amin’ny lafin’ny traik’efa sy ny teknika ary ny habean’ny vatana teny ambony kianja. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany dia efa nitarika 22 no 05 i Afrika Atsimo, izay tena nilalao ary nampiseho ny fahaizany tanteraka mihitsy. Niezaka nanintsy ireo lesoka ny mpanazatra malagasy teo amin’ny 40 minitra faharoa saingy mbola nifehy ny lalao hatramin’ny farany ny vahiny ka mora ho azy ireo ny nibata ny fandresena. Ho an’ny Ladies Makis dia azo lazaina fa dia nahafa-po ny vokatra satria raha laharana fahatelo no nisy ny malagasy ny taona 2023 dia tafiditra roa voalohany isika tamin’ity taona ity. Midika izany fa dia handeha hiatrika ny amboara eran-tany WXV3 hatao any Dubai ny 27 septambra hatramin’ny 13 oktobra 2024 ho avy izao ny Ladies Makis raha i Afrika Atsimo kosa no tafita handray anjara amin’ny amboara eran-tany 2025 WXV2 izay hotanterahana any Angletera any. Teo amin’ny lalao voalohany kosa dia nivoaka nandresy tamin’ny isa 39 no 17 nanoloana an’i Kamerona i Kenya. Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *