Buy traffic for your website

“R+3 The Origin II”-Tantara tena marina sy mampiseho ny zava-misy iainan’ny mpianatra Barikadimy

f06df907 c16d 4175 85ca 439dc5e106d7

Efa miroborobo fatratra amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara. Ity vokatra vaovao izay hivoaka tsy ho ela ity izao dia isan’ny miavaka koa. “R+3 The Origin II” no lohateniny, izay horonantsary zato isan-jato malagasy, novokarina teto an-toerana ary tohanan’ny orinasa Telma Madagasikara. Ny alarobia lasa teo dia nisy ny resaka sy ny tafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety tetsy Andraharo ka nitondran’ireo tompon’andraikitra sy mpanatontosa ity horonantsary ity ny mahakasika izany vokatra vaovao izany. Araka ny fanazavana izay nentin’i Kalolahy Givennio, izay namorona sy nanoratra ity tantara ity dia niainga avy amin’ny tantara tena nisy izy ity izay lalaovin’i Marc Ludovic sy Billy Mahavimbina ankoatran’ireo mpianatry ny oniversite sy mitantara koa ny zavatra hiainan’ireo mpianatra manovo fianarana ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Horonantsary mampatahotra no mampientanentana no misy tsikitsiky ao anatiny, na izany aza dia voarara ho an’ny tanora latsaky ny 16 taona. Nahodina tao amin’ny Barikadimy, efitrano R+3 izany tantara izany izay naharitra dimy volana ny fanodinana azy ka izy ity dia tohin’ny andiany voalohany. Notsindrian’i Kalolahy Givennio anefa fa teo amin’ny lafin’ny teti-bola nampiasaina hanodidina ny horonantsary no somary olana kanefa vita ihany. Arak’izany ary dia hisy ny fandefasana ity sarimihetsika “R+3 The Origin II” ity ny 09 oktobra ho avy izao izay “avant première” eto Antananarivo sy Toamasina ary ny 12 oktobra kosa vao alefa manerana an’i Madagasikara. Mbola hisy ny tetik’asa vaovao handeha aorian’izao raha ny fanazavany hatrany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *