Miotisoa Rasendra: Tompon-daka ny ITF J30 tany Ghana
Nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny fifaninanana izay natao tany Ghana ilay mpilalao tenisy malagasy, Miotisoa Rasendra. Nandray anjara tamin’ny ITF J30 mantsy ny tovovavy ka norombahiny ny laharana voalohany. Tonga teny amin’ny laingon’izao tontolo izao ny anaran’i Madagasikara taorian’ny zava-bitan’i Miotisoa Rasendra teo amin’ny taranja tenisy.