Buy traffic for your website

Federasiona Malagasy ny baolina kitra: Ho feno ny fandaharam-potoana ato anatin’ny telo andro

fmf

Mandritra ny hateloana dia hiatrika fotoan-dehibe ny avy eo anivon’ny federasiona malagasy ny baolina kitra. Hampiantrano ny dinika nasionaly izy ireo manomboka anio, arahina fametrahana vato fototra eny Carion eny ary ny fiantrehana ny “Assemblée Générale”. Ny 11 aprily izao dia ny kianja Barea eny Mahamasina no hampiantrano ny dinika nasionaly izay entina hanatsara sy hampiroboroboana ary hampandrosoana hatrany ny taranja baolina kitra eto amin’ny nosy. Ny filohan’ny FMF andriamatoa, Alfred Randriamanampisoa no hitarika izany fivoriana lehibe izany izay handraisan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny misehatra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Tsy miandry ela fa rahampitso zoma dia hitodi-doha eny Nandihizana, Carion eny ny tompon’andraikitry ny federasiona malagasy, izay hitokana ny fanombohan’ny asa fanatsarana ny ivon-toerana ara-teknika nasionaly na ny CTN izany. Ity ivon-toerana ity dia eritreretina hamolavolana mpilalao sy taninketsa maro izay ho avin’ny baolina kitra malagasy. Hofaranana amin’ny “Assemblée générale” ara-potoana izay hatao ao Mahamasina ny sabotsy 13 aprily kosa ny fandaharam-potoanan’ny FMF, izay fotoana hanoloran’ity rafitra ambonin’ny baolina kitra eto Madagasikara ity ny tatitry ara-bola samihafa sy fanolorana ireo tetik’asa ho avy fa eo koa ny fandraisana vahiny manakaja izay tsy iza fa i Gelson Fernandes izay tale rezionaly ary miasa eo anivon’ny FIFA faritra Afrika. Handray anjara sy hanatrika ireo hetsika samihafa karakarain’ny FMF moa ny tenany mandritra ireo andro ireo.

Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *