EPS – Bakalorea – Nanokatra azy ny taranja lomano
Mialohan’ny hiatrehana ny fanadinana bakalorea hatao ny volana jolay ho avy izao dia nanomboka ny adina ara-panatanjahan-tena ireo mpiadina ny faran’ny herinandro teo. Araka ny tetiandro izay nivoaka dia ny 11 mey lasa teo hatramin’ny 21 jona ho avy izao no daty voafaritra fa hanaovana ny adina ara-panatanjahan-tena ho an’ireo mpianatra izay hanala ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritra Analamanga. Ny sabotsy teo dia taranja lomano no nisantatra izany adina ara-panatanjahan-tena izany tetsy amin’ny dobo olympikan’ny ANS Ampefiloha. 80.000 ny isan’ireo mpiadina ka ny 215 tamin’izy ireo no nisafidy ny taranja lomano. Tamin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana na dia efa somary mangatsiaka aza ny andro. Hita ho efa mpilomano avokoa ny mpiadina ka tsy nampanano sarotra ho azy ireo no niatrika izany fanadinana izany. Ankoatran’ny taranja lomano dia mbola hitohy izany adina ara-panatanjahan-tena izany ho azy ireo satria mbola hiatrika adina eo amin’ny taranja ara-panatanjahan-tena eo amin’ny lalao iraisana fa indrindra ny hazakazaka lavitr’ezaka. Ary