Tao anatin’ny fifaliana sy ny firavoravoana tanteraka no namaran’ny mpino silamo manerana ny nosy ny volana masina ramadany na ny Eid Mubarak. Fotoan-dehibe ho an’ireo mpino silamo eto Madagasikara ny andron’ny 09 aprily, izay tsy inona fa ny famaranana ny volana masina ramadany na ilay antsoina hoe Eid Mubarak. Natao ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny andron’ny omaly araka ny fampahafantarana izay navoakan’ny fitondram-panjakana, mba hafahan’ny rehetra, indrindra fa ireo mpino silamo miatrika izany famaranana ny ramadany, izay tena fifehezan-tena tokoa ho azy ireo. Samy nanana ny toerana nosafidiny hamaranana izany fotoam-bavaka lehibe izany ireo mpino silamo manerana an’i Madagasikara, ka ny tao Toamasina manokana dia teo anoloan’ny lapan’ny tanàna no nanaovan’ireo mpino silamo izany. Amin’ny maha fotoana sarobidy lehibe ny Eid Mubarak dia tonga nanome voninahitra sy niarahaba an’ireo mpino silamo ireo olo-be sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny tany amin’iny faritra iny. Ny tany amin’iny faritr’i Mahajanga iny kosa dia ny “village touristique” no toerana nosafidin’ireo mpino silamo tany an-toerana nankalazan’izy ireo ny fetin’ny Eid Mubarak. Samy manana ny fomba fanatanterahany ny fety firavoravoana sy ny fiaraha-misakafo kosa ireo mpino taorian’ny fotoam-bavaka izay niarahana. Ary