Hahita solontena isika malagasy ao anatin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja basikety na Basket Africa League (BAL) izay hatao any Rwanda. Hiditra eo amin’ny “playoffs” ity fifaninanana ity manomboka rahampitso 24 mey hatramin’ny 01 jona ho avy izao ka isan’ireo mpitsara voantso hitantana lalao anatin’izany ilay mpitsara iraisam-pirenena malagasy, Yann Vezo Davidson. Ao Kigali, renivohitr’i Rwanda no hanatanterahana izany dingana izany ka araka ny fanazavan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety dia fanintelony amin’izao i Yann Vezo Davidson no voantso hitsara ny dingana famaran’ny BAL, izay midika fa isan’ireo mpitsara sangany eto amin’ny kaontinanta afrikanina ny tenany. Tsy hijanona eto ny fandraisana anjaran’i Yann Vezo Davidson eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena raha ny nambaran’ny FMBB hatrany fa mbola hitohy izany, ka eo ny lalao olympika 2024 izay hotanterahana any Paris ny volana jolay sy aogositra ho avy izao fa eo koa ny NBA Summer League 2024 izay hatao any Las Vegas, Etazonia izay nahazoany fanasana manokana avy amin’ny NBA sy ny federasiona iraisam-pirenena na ny FIBA.
Ary