Rehefa avy niatrika ny fampivondronana izay naharitra herinandro maro ny Ankoay eo amin’ny taranja basikety lalaovin’ny olona telo dia hanainga hihazo an’i Hongrie izy ireo androany, hiatrika ilay dingana fifanintsanana olympika farany.
Ny 16 hatramin’ny 19 mey ho avy no hotanterahana any Debrecen, Hongrie ny fifaninanana izay hiadiana ny tapakila farany hafahana miatrika ny lalao olympika 2024 izay hatao any Paris. Efa-dahy ireo mpilalao handrafitra ny Ankoay ao anatin’ity fifaninanana ity izay ahitana an’i Livio Ratianarivo, Arnol Solondrainy, Anthony Rasolomanana ary Elly Randriamampionona. Raha te hiatrika izany lalao olympika izany ary ny malagasy dia mila tafiditra ao anatin’ny telo voalohany ao anatin’ity fifaninanana any Hongrie ity, izay handraisan’ny ekipam-pirenena 16 anjara. Tafiditra ao anatin’ny vondrona A ny malagasy izay hiaraka amin’i Soisa, Alemaina, ary Lituanie. Tsy mora ireo lalao miandry kanefa vonona tanteraka izy efa-dahy ireto hiady izany tapakila izany hatramin’ny farany. Isan’ireo handray amin’ity fifanintsanana farany ity i Frantsa, Hongrie (mpampiantrano), Egypta, Porto Rico, Kanada, Japon, Mongolia, Letttonia, Belzika, Aotrisy ary Pologne .
Ary