Buy traffic for your website

Barea – Mondial 2026 – Efa tonga i Amada sy Couturier, nanomboka ny fanazaran-tena

Barea - 𝐖𝐈𝐓𝐒 𝐒𝐭𝐮𝐫𝐫𝐨𝐤 𝐏𝐚𝐫𝐤

Ny talata 28 mey hariva no nigadona soa aman-tsara tany Johannesburg, Afrika Atsimo ny ampahany amin’ireo delegasiona malagasy mandrafitra ny Barean’i Madagasikara izay hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanana handehanana any amin’ny “Mondial 2026”. Mpilalao avy eto an-toerana efatra izay nahitana an’i Nina, Tendry, Rado ary Andy, miampy an’i Carolus sy Démoléon ary ny staff teknika sy mpitantana avy ao amin’ny federasiona no niara-nanainga teto an-tanindrazana raha efa tonga mialoha tany Afrika Atsimo kosa ireo ampahan’ireo mpilalao mpila ravinahitra toa an’i Nomena, Millimno, Pontgerard, Safidy, Sandro ary Teva Gardies. Omaly hariva no nigadona tany Johannesburg i Ibrahim Amada sy Clément Couturier. Avy hatrany dia namantana tany amin’ny hotely raitra “Southern Sun Sandon” ny delegasiona ary omaly tamin’ny 04 ora tolakandro dia efa niatrika ny fanazaran-tena voalohany tao amin’ny Wits Sturrok Park ireo mpilalao efa any an-toerana. Omaly ihany dia nitondra fanazavana mahakasika ny fahatongavan’ireo mpilalao ambiny ny mpanazatra malagasy, Rakotondrabe Félix Romuald na Rôrô ka nilaza fa rahampitso zoma no ho avy i Rayan sy Sonny Laiton, ny alahady izao i Arnaud, ny 03 jona kosa no handrasana i Lapoussin, Hakim Abdallah ary Thomas Fontaine. Ireo mpilalao milalao atsy amin’ny nosy La Reunion kosa no ho avy farany ny 04 jona izay, izay misy an’i Tsiry Kely, Fabien Boyer, Ando Manoelantsoa, Rojobe ary Angelo. Vonona ireo mpilalao ary salama avokoa hoy hatrany ny mpanazatra. Mandritra ity fihaonana amin’i Kaomoro ny 07 jona sy Mali ny 11 jona ity no hisaloran’ny Barea ny fanamiana mitondra ny marika “Umbro” voalohany, ary mandritra ny roa taona izany fiaraha-miasa izany.

Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *