Tapitra hatreo izany ny fiarahana ho an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida sy ny Barean’i Madagasikara. Nanapa-kevitra ny hiala tsy ho “staff” ny ekipam-pirenena ny tenany araka ny hafatra izay nozarainy tao anatin’ny tambazotran-tserasera.
Ny maraina teo no namoaka tamin’ny fomba ofisialy izany fanapahan-keviny izany i Bolida, izay nilazany fa dia mifarana ny maha mpikambana azy ao anatin’ny “Staff”n-ny ekipam-pirenena malagasy. Ny taona 2022 ity mpilalaon’i Paris FC teo aloha ity no nantsoin’i Nicolas Dupuis mba ho isan’ny staff teknikany, taorian’izay dia mbola nalain’ny mpanazatra malagasy Rakotondrabe Félix Romuald na Rôrô ny tenany, nanomboka ny volana novambra lasa teo ka niandraikitra ny serasera sy ny mahakasika ireo mpilalao mila ravinahitra any ivleany. Notsindrin’i Lalaina Nomenjanahary fa hifantoka kokoa amin’ny andraikitra sy asa manokana izay sahininy izy manomboka eto, izy izay staff teknika ao anatin’ny klioban’i Paris FC latsaky ny 19 taona ary vao nahavita soa aman-tsara ny taom-pilalaovana farany teo. Tamin’ity herinandro ity dia nambaran’ity mpilalaon’i Barea namiratra nandritra ny CAN 2019 tany Egypta ity fa efa ho roa volana izy no tsy nifandray sy niserasera tamin’ny federasiona intsony na dia eo aza ny fiandrasana ny lisitry ny mpilalao hiatrika ireo lalao roa goavana hifanandrinana amin’i Kaomoro sy Mali ny 07 sy 11 jona ho avy izao. Na eo aza anefa izany fanapahan-kevitra noraisiny izany dia maro ireo asa nentiny ho fanatsarana hatrany Barean’i Madagasikara nandritra izay fotoana nitazomany izany toerana izany. Ary