Miampy iray indray ny mpilalao tsy afaka hiatrika ny fihaonana manoloana an’i Kaomoro sy Mali ny zoma sy talata izao. Mitotaly telo arak’izany ireo mpilalao tsy afaka namaly ny antson’i Rakotondrabe Romuald Félix na coach Rôro amin’ity tohin’ny fifanintsanana amboara eran-tany 2026 ity. Ankoatran’i Metanire sy Adekalom mantsy dia tsy Tonga koa ilay vodilaharana Malagasy milalao atsy amin’ny nosy La Reunion, Fabien Boyer. Na eo aza anefa izay tsy fahafahana tampoka tamin’ny ora farany izay dia notsindrin’ny mpanazatra malagasy fa manana Safidy Maro izy amin’ny vodilaharana izay hajorony, tahakan’i Tremoulet, Demoléon, Nomena Andriatiana na koa i Thomas Fontaine. Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny mpilalao rehetra amin’izao fotoana izao, ka ary mametrapetraka ny paik’ady faraparany hihatrehana ny kaomorianina ny zoma hariva ho avy izao.
Ary