Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika amin’ity taona ity, ary nampitondraina ny anarana hoe RAVORONA, hoy ny mpikarakara. Izany dia hatao ny faha 28 hatramin’ny faha 17 volana Oktobra 2024 izao eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano.
Tamin’ny andiany voalohany ny taona 2023, dia niompana kokoa tamin’ny tontolo iainana foana sy ny zavaboary. Fa amin’ity andiany faharoa ity, noho ny fananan’i Madagasikara karazam-borona, izay manana ny mampiavaka sy ny fiainany ary ny feony avy, dia noraisina io anarana io hoe RAVORONA, satria koa mahafehy ny zavatra rehetra tiana ho lazaina.
Miisa 13 ireo handray anjara sy hampiseho ny talentany amin’ny daty voatondro io: ahitana an’i Johary RAVALOSONA MDG/FR (Auteur); Iandry RANDRIAMANDROSO MDG/USA (Artiste plasticien communautaire, Designe); MASAMI JPN/LRA (Artiste plasticienne); Andri Marcel MDG (Artiste plasticien); FIFALIANA Nantenaina MDG (Artiste Visuel, Photographe); FANJAR MDG (Artiste plasticienne, Designer); Amalia RAMANANKIRAHINA MDG/FR (Artiste plasticienne); Olivia BOURGOIS MDG (Artiste plasticienne); Saïde AUGUSTIN MDG/FR (Artiste Visuelle, Chercheuse); Na HASSI MDG (Poétesse, Slameuse); Kiady RATOVOSON MDG (Designer); Xavier FISCHER FR/MDG (Eco-designer, plasticien); Verena KONRAD DE/MDG (Artiste plasticienne).