Buy traffic for your website

Salon de la Gastronomie 2024 : Hiditra amin’ny andiany fahafolo ny hetsika

Salon de la gastronomie

Nanomboka ny taona 2014 dia tsy nitsahatra nitombo ireo mpitsidika ny hetsika « Salon de la Gastromonie », izay fotoana iray hampisehoan’ireo orinasa misehatra eo amin’ny tontolon’ny lakozia ny tena fahaiza-manaony. Ny zoma lasa teo dia nisy ny tafa nifanaovana tamin’ny mpanao gazety tetsy Andavamamba ka nitondran’ny mpikarakara ny hetsika fanazavana.

Hiditra amin’ny andiany fahafolo ny hetsika « Salon de la Gastronomie « amin’ity taona ity izay hotanterahana ny 26 hatramin’ny 28 septambra izao etsy amin’ny AFT Andavamamba ary tohanan’ny orinasam-pifandraisana Telma Madagasikara. Ny tena mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity dia ny hanomezana lanja misimisy kokoa ny sakafo tena mampiavaka ireo firenena miteny frantsay. Hahitana trano heva 30 ny hetsika izay hampirantiana ireo vokatra tahaka ny sakafo natokana ho an’ireo tsy mihinan-kena, ny « art de la table » na koa ireo vokatra sy sakafo natoraly samihafa. Ankoatran’izay dia hisy koa ny fanentanana samihafa, fifaninanana nahandro sy atrik’asa isan-karazany mandritra ireo telo andro ireo. Manodidina ny dimy arivo kosa ny mpitsidika ny « Salon de la Gastromonie » ho handrasana araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny AFT hatrany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *