Buy traffic for your website

Miotisoa Rasendra: Tompon-daka ny ITF J30 tany Ghana

miotisoa rasendra

Nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny fifaninanana izay natao tany Ghana ilay mpilalao tenisy malagasy, Miotisoa Rasendra. Nandray anjara tamin’ny ITF J30 mantsy ny tovovavy ka norombahiny ny laharana voalohany. Tonga teny amin’ny laingon’izao tontolo izao ny anaran’i Madagasikara taorian’ny zava-bitan’i Miotisoa Rasendra teo amin’ny taranja tenisy. Ny 01 hatramin’ny 06 aprily lasa teo dia niatrika ny fifaninanana ITF J30 izay natao tao Accra, renivohitr’i Ghana ity tovovavy malagasy ity, izay tonga teo amin’ny famaranana ary nandavo ilay mpilalao britanika Tara Lawal tamin’ny seta 3 no 0 ny sabotsy teo. Niady dia niady hatramin’ny farany ity lalao famaranana ity ary samy nanome sy nampiseho ny fahaizany izy roa vavy ireto saingy nanatombo teo amin’ny teknika sy ny hakingana i Miotisoa Rasendra. Na dia tojo faharatrana nandritra ny volana maromaro aza i Miotisoa Rasendra dia hita ho tafaverina vetivety tao anatin’ny tanjany sy ny heriny tanteraka nafahany niatrika sy nandrombaka ity fifaninanana maneran-tany ity. Tsahivina fa nanomboka ny volana aprily 2023 izy no voatery nandao ny kianja noho ny ratra nahazo azy ka heritaona taty aoriana dia nahazo ny amboara voalohany ho azy ao anatin’izany ITF izany. Ary