Hanomboka ny fampivondronana ao Afrika Atsimo ny ekipa malagasy
Araka ny fampitam-baovao farany dia mpilalao enina no hanainga hiala eto Antananarivo anio amin’ny 03ora tolakandro, izay ahitana an’i Carolus sy Ibrahim Amada izay efa teto an-toerana andro maromaro izay, miampy solontena avy eo amin’ny komity mpanatanteraky ny federasiona roa, prezida ligy roa, ary ireo staff teknika rehetra ao anatin’ny Barea. Hihazo an’i Johannesbourg, Afrika Atsimo izy ireo ary hanomboka rahampitso 29 mey ny fampivondronana miaraka amin’ireo mpilalao avy any ivelany izay voantso handrafitra ny Barea amin’ireo lalao roa ireo. Mahakasika izay mpilalao voantso izay dia ofisialy fa tsy isan’ireo hikatroka an’i Kaomoro sy Mali i Romain Metanire sy Noah Adekalom. Voalaza fa tojo ratra i Metanire raha manana olana ara-taratasy kosa i Noah. Noho izany dia voantso hanolo toerana azy ireo i Thierno Millimono sy Angelo Andrianantenaina izay vonona ny hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo. Marihina fa ny zoma 07 jona ny lalao voalohany ao amin’ny kianjan’i FNB Stadium Johannesbourg izay hikatrohan’ny Barea amin’ny “Coelacantes” kaomorianina, manomboka amin’ny 07ora hariva ary ny talata 11 jona dia hifampitana amin’ny voromahery malianina indray, izay fihaonana hanomboka amin’ny 4ora tolakandro ora eto an-toerana. Voalaza fa dia handeha mivantana avokoa ireo lalao iraisam-pirenena roa ireo.
Ary