Habibiana tanteraka no nahazo an’ity zazavavikely iray tany Ambositra tany ity. Niharan’ny fanolanana nandritra ny taona maro izy ka ny ray niteraka azy ihany no nahavita nanao izany. Fijaliana tsy roa aman-tany no niainan’ity tovovavy kely ity, izay mipetraka ao amin’ny fokontany Ampivarotanomby, Ambositra. Nandritra ny efa-taona mantsy dia naolan’ny rainy izay niteraka azy izy. Vao efa-taona monja dia efa niaina sy niharitra izany herisetra ara-nofo izany izy ka tsy nijanona raha tsy teo amin’ny faha valo taonany. Voalaza fa nisaraka ny ray sy ny renin’ity zaza ity ka nalefany tany amin’ny renibeny ity zanany vavy ity nipetraka. Mandritra ny fotoana tsy hianaran’ilay zazavavikely sy tsy maha eo ny reniny izay mandeha miasa anefa dia alain’ilay rangahy ao amin’ilay renibeny izy ka nanaovany ny filan-dratsiny ary ateriny mody avy eo toa ny tsy misy n’inoninona. Ny taona 2014 no fantatra fa nisehoan’izany habibiana izany voalohany saingy folo taona taty aoriana vao tratra ilay raim-pianakaviana tompon’antoka. Amin’izao fotoana izao dia efa feno 14 taona ity zaza naolan’ny rainy niteraka azy ity ary nitantara ny zava-doza niaina sy ny marina rehetra rehefa niseho ny aretina teo amin’ny fivaviany. Omaly maraina no niakatra fampanoavana tany an-toerana ity lehilahy mpanolana ny zanany ity rehefa voasambotra ny sabotsy 06 aprily teo ka manantena ny fianakavian’ilay zaza fa hampiharina azy ny sazy faran’izay henjana. Nanipika ny renin’ilay zaza fa mitazona hatramin’ny farany ny fitoriana napetrany izy. Ary