Ny 26 mey hatramin’ny 8 jona ho avy izao no hanaovana ity fifaninanana ity any Meksiko any. Ny “King World Cup 2024” dia fifaninanana iraisam-pirenena iray eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovin’ny olona fito, izay noforonin’ilay vodilaharana espagniola teo aloha, Gérard Piqué. Nisy ny fifantenana mpilalao tao Frantsa izay nandraisan’ireo kalaza toa an’i Samir Nasri sy Jeremy Menez anjara ka voasafidy tao anatin’izany ity mpiandry harato malagasy 24 taona ity, izay milalao ao amin’ny Red Star FC B. 32 ny isan’ireo ekipam-pirenena izay mandray anjara ka ahitana mpilalao 13 avy izany. Ny ekipa izay tompon-daka amin’ity taona ity dia hahazo ny lela-vola mitentina iray tapitrisa euros ka ilay mpilalao soedoa sangany, Zlatan Ibrahimovic izay filohan’ity “King Worls Cup” ity no hanolotra izany. Hantenaina arak’izany fa hahita fahombiazana i Allan Rakotovazaha ao anatin’ity fifaninanana ity na dia ny ekipam-pirenena frantsay no hilalaovany amin’ity indray mitoraka ity.
Ary