Buy traffic for your website

Fosa Juniors – Namoaka taratasy fanasaziana ho an’i Joma ny FMF

fosa junior

Araka ny taratasy nalefan’ny rafitra ambonin’ny baolina kitra eto Madagasikara na ny FMF dia voasazy tsy mahazo manao baolina mandritra ny roa taona i Rajomazandry Andrinirina izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma, ary milalao ao amin’ny klioban’i Fosa Juniors.

Nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny FMF ny 09 aprily lasa teo no nivoahan’izany fanapahana-kevitra izany, ka ho an’ny klioban’i Fosa Juniors dia sazy tsy milaza ny antony, sazy tsy manaja ny lalàna mifehy ny baolina kitra ity sazy nilatsaka ity, fa eo koa ny tsy fahafahana nomena ilay mpilalao mba hiarovany tena. Nisy ny fangataham-panazavana izay nataon’ny mpitantana ny Fosa Juniors taorian’ny fivoahan’io taratasy fanasaziana io kanefa tsy nahazo valiny hoy hatrany izy ireo. Tsy hiraviravin-tànana ny klioba araka ny fanazavana izay nomen’izy ireo fa hanao izay mety rehetra hiarovana ity mpilalaony ity hoy ny filohan’ny klioba. Fanitsakitsahana ny lalàna izay eo ambany fifehezan’ny FIFA, FIFPRO sy TAS ny zava-misy sy ny fanakanana amin’ny tsy misy antony ity mpilalao ity. Handrasana arak’izany ny tohin’ity raharaha ity mampifanolana ny Fosa Juniors sy Joma ary ny Federasiona ity.

Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *