Fianakaviana maromaro monina ao amin’ny tanànan’Ambohimanarivo, kaominina Imerintsiatosika no niharan’ny fanafihan-dahalo ka vola an-tapitrisany ariary no voaroba.
Nitrangana asan-dahalo mahery vaika indray tany amin’iny faritra Itasy iny ny faran’ny herinandro teo. Ny sabotsy 27 aprily tokony tamin’ny misasak’alina tany ho any dia tonga nanafitra trano miisa telo tao amin’ny tanànan’Ambohimanarivo ny andian-dahalo maherin’ny 15 isa, izay nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy lava. Trano telo tao amin’izany tanàna izany no nasesin’ireo olon-dratsy, ka ny dimy tamin’izy ireo no niditra an-keriny sady nandrahona ireo tompon-trano no naka sy nandroaka ireo entana izay afaka nentiny. Ny ambiny kosa niandry ivelan’ny trano ary manara-maso ny manodidina. Tahaka izany avokoa no nanaovan’izy ireo ny trano telo izay notafihany. Vokany, tsy nisy ny aina nafoy saingy vola mitentina 4 tapitrisa ariary no very, miampy kojakojan-tokantrano sy entana sarobidy toy ny finday sy firavaka. Taorian’ireo fanafihana ireo dia nirifatra nitsoaka ireo andian-dahalo izay tsy mbola misy voasambotra hatramin’ny fotoana nanoratana. Efa miroso amin’ny fanadihadiana sy fitadiavana ireo olon-dratsy ny mpitandron’ny filaminana any Imerintsiatosika. Etsy ankilany dia miantso fandraisana andraikitra faran’izay hentitra ireo mponina satria dia manao izay tiany mihitsy ireo jiolahy izay efa tsy mampiseho tahotra intsony na amin’iza na iza hoy hatrany izy ireo.
Ary