Buy traffic for your website

Africa Cup FIBA – 3X3 – Handray ny fifaninanana i Madagasikara

basket madagascar

Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo no nandraisana ny fanapahan-kevitra fa dia handray sy hampiantrano ny “Africa Cup FIBA” izay taranja basikety lalaovin’ny olona telo i Madagasikara. Tombony hatrany ny fandraisana fifaninanana iraisam-pirenena tahaka izao ka hantenaina fa hitondra avo ny voninahim-pirenena ny ekipam-pirenena malagasy na ny Ankoay izany. Araka ny tetiandro dia ny 29 novambra hatramin’ny 01 desambra 2024 no hanantanterahana ity tompon-dakan’i Afrika ity etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Efa fotoana elaela izay no niandrandra sy naniry ny handray ity fifaninanana ity ny federasiona malagasy ny basket ka izao tanteraka izao ary hiomana amin’ny lafiny rehetra izy ireo. Azo lazaina ho taranja hisongadinan’ny malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny basket lalaovin’ny olona telo, izay efa nibatan’ny lehilahy ny amboaran’i Afrika sy nahazoan’ny tovovavy Ankoay ny medaly volafotsy teo amin’izay fifaninanana izay hatrany. Mbola manana fotoana lavalava arak’izany ny federasiona, ny mpilalao sy ny fanjakana hiomanana sy hahalavorary ny fandraisana ity “Africa Cup FIBA” ity.

Ary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *