Barea – Mondial 2026 – Efa tonga i Amada sy Couturier, nanomboka ny fanazaran-tena
Ny talata 28 mey hariva no nigadona soa aman-tsara tany Johannesburg, Afrika Atsimo ny ampahany amin’ireo delegasiona malagasy mandrafitra ny Barean’i Madagasikara izay hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanana handehanana any amin’ny “Mondial 2026”.